FALY AHO TOMPO (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Faly aho Tompo izao ankehitriny izao
Fa nivimbina sy niaro ahy Ianao
Finaritra ny saiko e! faly ny fanahy
Niala ny alahelo afaka ny ahiahy
Raiso aho izao, tano anjakao
Ka ny sitrakao no atao

Fiv: Ianao irery ihany no Tompoko
Ianao irery ihany no avotro
Faly aho faly loatra ka hidera Anao
Raiso Tompo ô izao dera izao

2-Faly izany foko tena faly tokoa
Faly noho Ianao ry Jeso Tompo soa
Ravo ka mihira ity antema vaovao
Raiso Tompo ô, fa atolotro Anao
Raiso aho izao, tano anjakao
Ka ny sitrakao no atao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Hits : 1182
Likes : 0 Like
Created by : HANITRYNYLANITRA
Date : 11/04/2017 11:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749