Mahery ny Andriamanitray (A3F)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Ny Anaranao Ray dia anarana be voninahitra
Ka tsy misy ohatra Anao raha ny olona ety an-tany ety
Fa manenika ny vazantany Jesosy ô ny herinao
K'indreto izahay fa hidera ny Anaranao.

Fiv.Mahery ny Andriamanitray
Ianao no Mpanjaka, Ianao re no Tompon'ny lanitra
Fiadanana mandrakizay re no atolotrao anay
(Hoderaina e!) Hoderaina fa be voninahitra

2.Ny Fitiavanao Ray dia fitiavana tsy hay takarina
Ka tsy misy ohatra Anao raha ny olona ety an-tany ety
Fa Izay sarobidy indrindra no nomenao ho anay
D'Ilay Zanakao mba hisolo ny otanay.

Fiv.Mahery ny Andriamanitray
Ianao no Mpanjaka, Ianao re no Tompon'ny lanitra
Fiadanana mandrakizay re no atolotrao anay
(Hoderaina e!) Hoderaina fa be voninahitra

A/C: Ny Vatofantsika
Arr: RALAINIRINA Valitera Edmond
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : A3F
Hits : 1224
Likes : 1 Like
Created by : fansDiez
Date : 23/04/2019 14:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731