KIVARIVARY (Levelo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Variana variana ery e! ny ankizy etsy an-tokotany Manangona vovoka anaty kapoaka hilalao kivarivary
Tanisatanisa indray e! Na mampiady karajia e!
Manoko fanorona vato ara-dimy doboka aponga tany
Ketrika nongo tsy doran’afo ô!(2)
Eo am-piandrasana samy revo an!(2)
Fa nahoana ho’aho e!
Efa nahazatra ny mpianakavy
Ny andro tsy hiasana hialana voly e!
Hitan’ny ankizy ka mba nataony e!
Tsikononkonona tokantrano
Rindrim-boafefina volontara
Fifampifehezana misimisy a !
Dia tao ireo somebiseby e!
Namahy ilay oronan-tsihy e!
Ny akalan-jareo moa dia vato kilônjo
natao faribolana io
Tsy nisy hono ny bakoly e!
Na dinety avy any am-pita e!
Fa ravin’ambiaty no solon-dovian’ny zanaky ny be lamba
Nahilikilika ny maloto ô !(2)
Tahon’atsoro natao borosy e!(2)
Tena marina io e!
Zavatra hiainana an-davanandro
Tsisy tsy vitany an-kilalao e!
Kivadivady aza moa nataony e!
Daka diamanga mamelon-jafy e!
Votom-piafiana toa tena izy e!
Mikiry mitady mba manantena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : LeveloVangy : 13542
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : R.T
Daty : 19/11/2002 09:25