Afom-pitiavana (Jean FREDY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matetika mantsy ireo tanora e
Manana eritreritra tsy satry :
"Andao hamoy ity tany
’zay feno fijaliana sy tomany "


Fiv :

Mpifankatia efa vita fanekena
Nolavina fa hoe manimba firenena
"Mitadiava fa ny tiana anie ka tsy lany"
Nefa tsy fantany ny ho valin’izany
Ilay ny afom-pitiavana anie
Ka tsy maty vonoina e
Mamono, mandoro, mandevona tsimoramora e
Ireo mpifankatia voatery hisaraka e
Tsy rariny e


Indrindra ireo ray aman-dreny sasany
Manapaka mandidy tsy maintsy tontosaina
Raha mba fantatr’izy ireo mantsy re ny ho ngidiny
Ilay fanantenana rava tsy satry.


Fiv


Fa ny afom-pitiavana anie
Ka tsy maty vonoina e
’Lay afom-pitiavana anie
Ka tsy maty vonoina e
....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jean FREDY
Vangy : 6525
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 03/09/2002 14:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141