Mendrika (Noro Andrianasolo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fanja,Tahiana, Felana, Tiana,Vola, Baliaka, Bako, Sariaka ;
Gasy ka manja,
Tsy latsa-danja,
Tsy latsa-danja noho ny hafa.
Hanta, Seheno, Volana, Feno,
Sahondra, Lalaina, Bazoly, Aina ;
Gasy mahavita,
Na eto na any am-pita,
Na eto na any am-pita miombon-tafa.
Vehivavy loharanon’aina,
Mamafy soa tsy mba malaina,
Mendrika, mendrika.
Vehivavy tia firaisan-kina,
Tsy lany zava-mahaliana,
Tsy ho rendrika,
Tsy ho rendrika.
Mialy, Domoina, Antsa, Kaloina,
Tsiky, Tiavina, Mbola, Tsilavina ;
Gasy mahavita,
Na eto na any am-pita,
Na eto na any am-pita miombon-tafa.
Vehivavy loharanon’aina,
Mamafy soa tsy mba malaina,
Mendrika, mendrika.
Vehivavy tia firaisan-kina,
Tsy lany zava-mahaliana,
Tsy ho rendrika,
Tsy ho rendrika.
Landy, Miangaly, Liva, Soanaly,
Zina, Harena, Kanto, Nomena,
Sanda, Fitia, Lalao, Miadana, Fy ;
Ho an’ny kala rehetra :
Fitia tsy misy fetra ;
Ho an’ny vaiavy rehetra :
Fitia tsisy fetra ;
Ho an’ny ampela rehetra :
Fitia tsisy fetra !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Noro AndrianasoloVangy : 918
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jantina
Daty : 08/01/2023 15:55