Izaho ihany (ARISON JAHA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho ihany ry Malala ilay adala taminao
Ka nanjohy anao mangina tamin’ny lalanao rehetra.
Izaho ihany ry Malala ilay jiolahy nitia anao
Nankamamy fahoriana nitia anao tsy nisy fetra.

Tiako ny ho-ranomaso hikoriana an-tavanao,
Raha toa ka malahelo ny salovanao lalaiko...
Tiako ny ho-tsikitsiky eo i-molotrao indray,
Raha toa ka hafaliana ny ao anatinao ry aiko.

Ref : Tiako ny revirevinao beby e !
          Tiako ny pasipasinao hely e !

Izaho ihany ry Malala ilay bandy kely be lazao
Bebe orona vinany nampihomehy anao mangina.
Izaho ihany ry Malala ilay nihira ho anao
Tongatonga nanontany, nitempotempo faniriana...

Tiako ny ho revirevy hi-parasaka aminao
Raha toa ka lasalasa ny sainao te-hanala...
Tiako ny ho tempoly hiombonan’ny fitia
Raha toa ka tianao ny haharitra ho doria.

Ref : Tiako ny revirevinao beby e !
          Tiako ny pasipasinao hely e !

Arison Jaha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ARISON JAHA
Vangy : 2781
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Arison Jaha
Daty : 20/11/2003 08:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144