Piso (Coddy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Coddy - PISO

1.
Henoko nisosasosa akia ny fiainako
Vao nandray ny antsoko ianao
Tsy afenina anao anie fa bandy sahirana kely
No nitory fitia taminao
Jamba tanteraka anie otran’ny olona very e
No indro notantananao
Kay ! Kay ! Kay ! Kay !
Diavolana lava sy feno inspiraka arahana souvenir milay lay ! lay!
Lay ! Lay ! Lay !

Refr :
Piso ah! faly be aho
Piso ah! de jereo kely aho
Piso ah! raha sendra tsy eny intsony aho
Ny foko tsy hijanona fa hitia anao

2.
Dia nanomboka teo dia namiratra tsara
Niova ny pejy nivadika teo ny tantara
Niomehezana sisa ny lasa
Fa isika amizao efa ho tafa
Mitabataba mafy aho fa nivaly ny vavaka ô
Efa jamba tanteraka oa
Efa naika tsy ihezaka oa
No indro notaritinao
Kay ! Kay ! Kay ! Kay !
Diavolana lava sy feno inspiraka arahana souvenir
Milay lay lay
Lay ! Lay ! Lay !

Refr :

A/C : Coddy Ofisialy

« Anaty tononkira no mifono ny hafatra »
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Coddy
Vangy : 216
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Coddy1
Daty : 05/11/2025 18:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0163