Tsy hira ny hira.
Mitomany (ft Fafah) (RAMPAL)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nitomany izy nandalo teoNilaza fa efa tofoka
Tsy handalo any intsony mihitsy
Ny ataonao mahasosotra.
Isaky ny reny mandeha
Ilay feon-kira sovenira
Alahelo be dia be
Mibosesika tsy tantiny.
Tsy hitany intsony izay lalan-kombàna,
Tena very,
Fitia kilalao tsisy hafanana,
Tsy mety.
Ny masony mahita
Ilay sary mariazy
Ny fony mila hitriatra
Ilaozanao manala azy.
Mivavaka izy avy eo
Mangatam-pamelana
Eto an-tany rahateo
Tsy azo ivalozana.
Sitrana ihany ity fo mitoloko,
Afa-bela,
'Lay raho-nitatao nanjary niova loko,
Nony ela.
Nitomany izy nandalo teo
Nilaza fa efa tofoka
Tsy handalo any intsony mihitsy
Ny ataonao mahasosotra
Nitomany izy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : RAMPALVangy : 6928
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/02/2015 22:59
