MIALA TSINY (Tiana)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Tiana
Mpamaky : 1545
Nampidirin'i : RAFILOZOFY
Tamin'ny : 14/09/2004 06:54:15
ID : 2611

Imprimer Facebook Facebook
MIALA TSINY
Miala tsiny aho madama raha nampiantso anao
Ny hevitra rehetra izy tsisy tsy natao
Ny ao aminareo angamba manao fati-drà
Tamin-dramatoa Negreta
Manasa tanana aho madama eto anatrehanao
Fa tsy afaka hiaro intsony an’ingahy vadinao
Izy manko efa tara ka niala zavom-boany
Izaho no nanao izay tokony ataony.
Fiv: Tsapako fa mafy, mangidy
      Ny manjo anao sy ny ankizy
      Tabataba, vono lava izao ô
      Gidragidra mila hankalao
  Efa nanao izay ho afany
  Na mpitsabo na magie
  Niala maina ô, aai ai ai an
  Efa nanao izay ho afany
  Na mpitsabo na magie
  Niala maina ô, aai ai ai an.

Miala tsiny aho madama fa tsoriko aminao
Tamin’ity nihoatra fefy ny ramosenao
Tsy nanaiky bon intsony i Tsen Tsing lu
Ny teo aloha hono tsy nisy voaloa
Very hevitra àry ingama fa nangatéta mafy
Sendra tenda zatra rano ka tsy nihafy
Izy moa no mitana ny top secret
Natakalo bota ny lakile.
Fiv:...

Miala tsiny aho madama ô
Izaho nisava ny birao ô
Ireto sisa hita tao ô
Taratasi-na licence maro
Boatin’yaourt ankiray
Plasitikam-boanjo maromaro
Karazana tongolo mifangaro ô
                                  TIANA

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo