Vavaka (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na sarotra ny lalana haleha
Tsy hahasakana ahy tsy handeha
Na enjika, na latsa eso koa
Tsy mampaninona
Navesatra ny efa nentiko
Toky foana no nasetriko
Tsy taitra aho f’ireo izay ratsy loha
Sa nampivadi-po
Ho tsinotsinona

Tompo o! ankiniko aminao
Ny fiainako sy izay rehetra mikasika ahy
Aoka Ianao hitantana tsy handao
N’inon’inona hanjo
Na ho sarotra tokoa
Matoky Anao aho ka tsy manahy

Matoky Anao izahay
Miandry ny marina
Fantatray ianao fa tsy miangatra
Tompo o! miandrandra anao izahay
Miandry ny rariny
Tsy manahy ny fanahy manana Anao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Poopy
Visites : 21714
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par :
Date : 28/11/2002 20:02
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754