Tsy misy azo antenaina (SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tsy misy azo antenaina, raha toa ianao malaina
Mba hampiasa izany saina, ka ahafahana miaina
Ka na inona atao, hafatoy aloha ny saina
Hamafiso ny finoana, miasà mafy koa
Dia hohitanao ny voka-tsoa

2-Tsy misy azo antenaina, raha toa ianao malaina
Hampiasa izay hanànana, hampitombo ny eo an-tanana
Ka na inona atao ,aza miandry ampiana foana
Hamafiso ny finoana, miasà mafy koa
Dia hohitanao ny voka-tsoa

3-Tsy misy azo antenaina, raha toa ianao malaina
Ka malaina ny hisahirana,tsy hahita ny mangirana
Ka na inona atao,tsy maintsy miafy aloha ianao
Hamafiso ny finoana, miasà mafy koa
Dia hohitanao ny voka-tsoa

REF:
Fa zava-poana ihany izany hoe finoana
Raha tsy arahina tokoa amin’ny asa izay atao
Fa toy izany koa, zava-poana re ny asa
Raha tsy arahina finoana
Tsy afaka misaraka ny asa sy finoana



ANDRIAMIZAKA Hery Razanakoto
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SEKOLY ALAHADY MIHIRA F.J.K.M ITAOSY
Hits : 766
Likes : 0 Like
Created by : belouhrazan
Date : 14/03/2018 12:17
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073