Valala (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
E valala e, leoleon'ny rivotra avy any Andringitra any
nihararetra, hihoatra ny bonga, bao tsy nivily manantona ny tanana
nanao be midina eny antsaha ny rehetra
nanao dian-dambo nanitsy tanim-boangazo
nanjohy telo nameno fefiloha
tsembo-dratsy nively daba loaka
niolomay, niar ny voly
mananontanona mantsy ndrem-balala

E valala e, nisoditsodika ambony tanimbary
tsy afa nitoetra fa leo kotaba
Nidridridridry namonjy tapo-tanety
nisento tokana tamin'nizay ny rehetra
dila ny loza, niery ny atambo
ery amtapo-kavoana indray ny fotoana
e, mandry ao mantsy ny ndrem-valala
mandry e! mandry o! ny valala
mandry ny laoka hilaofana herinandro

ny kilongalahy madinika nameno satroka e
nandry hilika efa fola-katoka
iretsy lehibe nifola-damosina
ny harona am-babena feno efa nibontsina
e be no lao, e be ny ho lao fa ny remby tsa ho lany
e ny kitay ny kitay lany no mampalahelo

samy nikenonkenona samy somokotra ee
afo no nanerana ny vodi-montotra
hany kitonotony no nampanim-bolo
manitra valala izao ny tontolo
e be no lao, e be ny ho lao fa ny remby tsa ho lany
e ny kitay ny kitay lany no mampalahelo
...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ifanihy
Hits : 2418
Likes : 0 Like
Created by : rawt
Date : 10/02/2014 19:33
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109