Hajao ny tenanao (CLUB-ACADEMY GROUP)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O Razandry ô, tandremonao
Ny fihetsika n’aiza n’aiza ianao
Mba hiezaho ny fandeferana
Fa ny aloka mpiserana

Fa raha misompatra ihany ireo tsy tia
Ka mamely ny takolakao havia
Ialao mora miakavanana
Hitandroana fihavanana

Hajao ny tenanao
Aza miady amin’ny adala ianao
Fa ho sasa-poana izay ireo
Ka ho vizana sy ho leo
‘Reo mpanenjika anao,
‘Reo mpankahala anao.

Ianao Razoky na manana aza
Mba fadio re ny be filaza
Zay soa hataonao tsy ho hita
Mba tsy hampitsiry diasadisa

Raha mbola misy ihany saina tsy mazava
Avelao izy hivazavaza
Ny mangina anie dia volamena
Izany koa no fahendrena
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : CLUB-ACADEMY GROUP
Hits : 811
Likes : 0 Like
Created by : tahiana.dafy2015
Date : 02/04/2018 15:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723