RAHA HIVERINA

Lohateny RAHA HIVERINA
Nampiditra zo15
Tamin'ny 28/06/2016 21:54
Vangy : 144

Raha hiverina aho


Rehefa avy nandeha


Nandeha nandao anao


Nandritry ny fotoana elabe


Hiverina aho


Nefa hovantaniko ireo fombafombanao


Izay nanosika ahy handeha ka handao anao


Vao teo am_baravarana 


Nahatazana anao aho


Nisakamina olon_kafa


TSy sahy nanakotaba anao aho


Fa naleoko dia niverina


Hiverina aho


Toa very maina foana ny fotoanako


Izaynivavahako isan’andro isan’andro


Mba hampiova anao


Vao teo am_baravarana 


Nahatazana anao aho


Efa mamomamo be


Dia honena anao ny fo


Saingy tsisy azoko natao


Tsy hiverina aho


Ny fotoana sisa no mba tokiko


Sy fanafody iray


Ka hamerina hampody indray ny sainao














© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091