IANAO

Lohateny IANAO
Nampiditra Noro38
Tamin'ny 08/03/2010 23:43
Vangy : 145
Izarako ny hasambarako
Ianao, ianao
ka nomeko ny anarako
IANAO, ianao

Loharanon’ny taranako
Ihariako ny fananako
Ary haingon’ny tananako
IANAO

Hany andry hianteherako
Ianao, ianao
amin’ny androm-pahanterako
IANAO, ianao.

Raha lasa ny fisainako
ka manjohy ny andro niainako,
IANAO, IANAO
no mameno toerana ao.

Fony sarotra ny fiainako
iza moa no nitarainako ?
IANAO, IANAO
ianao lava izao.


Henri RATSIMBAZAFY  1969
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082