FISARAHANA

Lohateny FISARAHANA
Nampiditra korotamby
Tamin'ny 28/02/2010 21:19
Vangy : 140

Eny tonga izao ny fotoana


Izay hisarahana


Eny tsapako fa hay


Mafy tokoa ny fisarahana


                 Eny tsy tantiko ny hanatrika


                 Izao fotoana izao                                      }   bis


                 Mangoraka ny foko malahelo


                 Ka dia veloma, veloma re no hapetrako


Enga anie isika hisy fihaonana


Indray andro any


Amin’izay hifaly, hifampihomehy


Sy hifampiantoraka


O!o!o!o Veloma e!


O!o!o!o Aza manadino e!


O!o!o!o Manorata


c   g    c
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092