Ampidiro aloha ny tenimiafina
Izy roa ihany
Hay moa ny amin’ny topi-maso aza misy lanjany Raha tena tia Hay moa ts’isy feo nefa miteny ireny rehetra ireny Raha mifankatia Tsy misy mahalala afa-tsy izy roa ihany Izay ambarany Ny hiaka sy ny tsafa manenika ny fon’ilay tia Hay moa afaka manova ny haizina aza indray Ny tsiky iray Hay moa mahasitrana izay ratra ao am-po indraindray Ny tsiky iray Tsy misy mahalala afa-tsy izy roa ihany Izay ambarany Ny hiaka sy ny tsafa manenika ny fon’ilay tia Hafa raha samy hafa Ts’isy teny mba tafa Fa toa lanitra hafa no ialofan’izy ireo Izany no tena sambatra Mifanojo fitiavana Ka miandrandra ny lanitra Mba hitoetra sy haharitra Ilay fitia Hay moa misy koa tsy miteny milaza tia Rehefa tia Hay moa fa ny doboky ny fony no efa ren’ny ary Ankilany Tsy misy mahare afa-tsy izy roa ihany Izay ambarany Ny hiaka sy ny tafa manenika ny fon’’ilay fitia Hafa raha samy hafa Ts’isy teny mba tafa Fa toa lanitra hafa no ialofan’izy ireo Izany no tena sambatra Mifanojo fitiavana Ka miandrandra ny lanitra Mba hitoetra sy haharitra Ilay fitia Ts’isy mahalala izay ambarany Tsy mahalala izay ambarany Ts’isy mahalala izy roa ihany Izay ambarany
