Ikala

Lohateny Ikala
Nampiditra zanmal
Tamin'ny 08/03/2008 00:04
Vangy : 392

7éme case mora hita ny feon'ilay vazo avy eo


Naka tso-drano ikala fa handeha hamita
E                    EM7
Ny fianarany any am-pita 
E7M
Mba ho lasa lavitra
A          AM7
Hanaka-danitra
       G#       B
Naka sambo ikala fa te hahita
E                   EM7
Faramparany ilay nosintsika
E7M
Fa mbola ho ela 
A          AM7
Vao tafaverina
        G#       F7dim 
Nilaozany avokoa 
             F#m
Ireo namany sy ireo lasany taloha
B                            E
Any ve no soa ? 
F7dim      F#m
Any ve no misy ny zava-mahafa-po
B                            E
Dia nahita lohataona vazaha ikala

Nisidina ary nilalao toa lolo mamo an'ala

Tsy misy fetra ny rehetra

Rehefa noely fetin'ny zazakely

Tsy mety tonga foana hoa ny dadabenoely

Mihamatromatroka izany lanitra

Tadidy ve ilay tany ? 

Sy ireo namany nilaozany any ambadika any

Tadidy ve ilay tany ? 

Sy ireo kilalao fanao amorom-patana any ? 

Ririnina maromaro taty aoriana

Mafy mihitsy angamba ny fihafiana

Mitambolombolana rafahatsiarovana

Lasalasa saina, verivery ambiroa

Variana tamin'olona ho aiza moa

Tsy mahafinaritra izany miharitra

Tapa-kevitra, 

Tapa-kevitra handeha hamonjy ny ankany

Nefa very hevitra

Sy matahotra ireo zava-mety hitranga any

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094