Ampidiro aloha ny tenimiafina
Aza tsiny
Ireo fihetsiko inndraindray Ifonako aminao raha azo atao Mahery fijery, eny na fiteny Nanenenako avokoa ireny Ivelany ihany fotsiny ireny Tsy avy ao am-po sanatria Ary averiko ombieny ombieny Azafady aza tsiny REF: Niezaka aho mba ho fantatrao Oh oh oh Ka aza tsiny tsy fanahy iniana Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana Hitanao daholo ny rehetra Ny hatsarana na ny haratsian-toetra Satria ianao tiako Tsy hihatsarako velatsihy Toa izany aho rehefa tia Ahitsio aho raha misy tsy mety Fa mpanota ihany Tsy hoe tsy mety diso velively Hoy ihany aho aza tsiny REF: Niezaka aho mba ho fantatrao (Ny amiko rehetra no asehoko anao Ka aza tsiny tsy fanahiniana (Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana) Na faly aho, na tezitra Na malahelo koa Tsy nataoko ho ahy irery Hanihany, tomany Sorisory koa Manjary hainao avokoa ireny Ahitsio aho raha misy tsy mety Mpanota ihany oh oh Tsy hoe tsy mety diso velively Hoy ihany aho aza tsiny Niezaka aho mba ho fantatrao Oh oh oh Ka aza tsiny tsy fanahy iniana Mba tsy ho gaga ianao rehefa any aoriana
