Dadabe sy Bebe

Lohateny Dadabe sy Bebe
Nampiditra ondinion
Tamin'ny 22/10/2007 09:12
Vangy : 289
Clef de Re izy io saingy forme Sol ny accord
Misy Capô eo @ 7eme cages dia lasa Sol no hitondrana azy
Manaova ecoute tsara dia mazava ny folk. Mahereza daholo e

Sol                   Sol(vide dia ny bas mi)
Dadabenay dia mbola velona any an! 
La/min    Re7            sol
Mbola matanjaka anie izy izay a!
  Re7                Sol
Mbola mamokatra ny tany an!


Sol                   Sol(vide dia ny bas mi)
Bebenay dia mbola velona any an!
La/min    Re7            sol
Mbola matanjaka anie izy izay an!
 Re7                Sol
Mbola mamboly ny tany an!
Do/ Sol
Zovy e! (2)
La/min    Re7            sol
Mbola matanjaka anie izy ireo 
  Re7                Sol
Mbola mamokatra ny tany 

[.........Hatramin'ny farany dia sahala amin'izay...Mety miova kely ilay ery @
farany indrindra....]



Dadabenay manamboatra tanimbary an!

Tanimbary totohatra anie ny azy e!

Totohatra manakatra ny lanitra 

I Bebenay manamboatra tanin-ketsa (2)

Tanin-ketsa ambony toerana anie ny azy e!

Eny an-tehezan-tendrombohitra 

Zovy e!(2)

Mbola matanjaka anie izy ireo

Manamboatra ny tany ao Ambonongo ao



Dadabenay mahay miasa tany a!

Tsy mirehareha anefa izy e!

Mamadika ny bainga, bainga ngodabe

Bebenay mahay mitoto vary e!

Tsy mirehareha anefa izy e!

Mitoto vary maina vokatry ny tany

Zovy e! (2)

Mbola matanjaka anie izy ireo 

Manambotra ny tany ao Ambonongo ao



Dadabenay mahay mijoro tsara (2)

Angady mangasoavina anie ny azy e!

Angady lava lela fiasàny tanimbary a!

Bebenay mahay mijoro tsara an!

Miloloha zezika anie izy an!

Zezika tain'omby nalainy teny am-bala

Zovy e! (2)

Tsy rehareha anie izy ireo an!

Manamasaka ny tany ao Ambonongo ao 



Dadabenay manao salaka mena

Fitondrany miasa anie izy izay e!

Fitondrany miasa, tsy mba fentiny miambo an!

Bebenay manan-tongobolo mena

Tsy adinon'olona maro anie izy izay e!

Tsara ny parakin'ilay tongobolo a!

Zovy e! (2)

Ts’isy izay tsy mahalala anie izany

Tantaran'ny salaka sy ilay tongobolo mena



Dadabenay manana basy lava e!(2)

Basin'anglisy anie ny azy e!

Basin’anglisy foentiny miady tany an'ala

Bebenay manana "Kaska blanc"

Loakan'ny bala anie ny izy izay e!

Loakan'ny bala eo an-tampony e!

Zovy e! (2)

Ts’isy izay tsy mahalala anie izany 

Tantaran'ilay basy sy ny kaska blanc


Do........  Sol..........
Zovy hoy aho ny tsy mahalala
Re...........Sol.......
An'i Dadabenay sy Bebenay 
LA min   Re7    Sol
Dadabe miasa tany
LA min   Re7    Sol
Bebe mamboly ny tany
RE............DO.....
Razambe velon'ny tany



DAMA

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104