You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo

Lohateny : https://tononkira.serasera.org/hira
Nampiditra tondrompeo : delvechio
Daty : 24/02/2005

E             D            Bm          E
Ny rivotra mandalo ve no mitondra tadio
              D            Bm            E
Ny rivotra mifafy ve no mitondra io orana io


G             D            Am/C                  E  
Ny tany ve no ratsy sa ,ny olona no efa lany vatsy
G             D            Am/C     D           E
Ny tany ve no vovoka sa ny olona no vizana sy drodroka



Ny hoy aho  hoe manontany tena manontany tena

Aiza ihany no hiafarany

Fahagagàna sy mihenahena ny olona ao an-tanàna



Voazara ho antokotokon’olona , voazara ho fokofokon’olona

Nozarainy ho vondrovondron’olona

Fa amin’izay  angamba tsy ho vanin-kolona



Iza moa no tsy mahalala fa izay mitambatra dia vato

Mampisalasala anefa ireto mpanao afera mihamaro tato ho ato



Mitombo ny isan’izy ireo , mitombo ny volan’izy ireo ,

miroborobo ny aferan’izy ireo , tsy laitra ny setrasetran’izy ireo    



©MAHALEO

Tondrom-peo hafa

Hampiditra tondrom-peo hafa