Bemolanga

Titre Bemolanga
Envoyé par raluc
Le 31/05/2006 18:40
Visites : 1156

ity zany ny tondro-peo any ilay hira oe Bemolanga.
atolotra hoan'i onjah, lol
raha misy diso dia mba contacteo aho mba hifanampiana e
jean-luc.ranaivoarivao@laterit-productions.com

misaotra
lou

NB: mi mineur daholo no miasa an: 022000

-----
sol

                   do
Ny taona ity miherina
sol                mi
Asa izay mba hoentiny
sol                do
Ahiako mbola hiverina
                      re(maj)                sol
Toy ny tamin’ny taona lasa ny zavatra raiketiny


               do
Fa ny fanantenana
sol                mi
Efa mihena, mitsilopy
sol                  do
Fa tsy misy fahatsarana
                 re(maj)            sol
Izay mety ho fiovana efa zary nofinofy


                      sol
         Ireo voa nafafy
                           do
         Taona maro lasa izany
                              re(maj)        do
         Ho an’ny zanaka aman-jafy
                              sol
         Mbola tsy vokatra ihany


                        sol
         Efa taona firifiry
                                do
         No nantenaina hitondra soa
                           re(maj)           do
         Ahi-dratsy no naniry
                        sol
         Ny tany maina avokoa



-----
                   do
Mitombo ny fara-mandimby
sol              mi
Ny tany koa miha tery
sol                 do
Ny taona faly mifandimby
         re(maj)            sol
Mody marenina, minia tsy mijery


                       do
Manahy aho fa tsy hisy hiova
sol                 mi
Ny omaly tsy hiova volo
sol                  do
Toy ny fanaka eny an-dRova
                re(maj)              do
Ts’isy nanombinana fa efa zary bobongolo


                        sol
         Rahoviana no hitranga
                             do
         Asa angamba atsy ho atsy
                           re(maj)
         No ho tonga i Bemolanga
                               sol
         Dia isika tsy ho lany vatsy


                         sol ....                          sol
         Rahoviana no hitranga (...) Dia isika tsy ho lany vatsy



MAHALEO
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086