Aza omena tsiny

Lohateny Aza omena tsiny
Nampiditra dupouyfab
Tamin'ny 07/01/2006 15:54
Vangy : 764


AZA OMENA TSINY

Vao nanomboka dia tsara fiandohana ny fiarahana

Tsy nieritreritra izay hiafarana, noho ilay fitiavana

Toa vita daholo izay rehetra mba niriana sy niezahana

Na ny tsy mety na ny tsara nifaliana, noho ilay fitiavana



Toetra tsy anananao, izay indray izao no iainanao

Mandeha mankatsy, mandeha manketsy

Tsy fanao

Aza omenao tsiny aho, raha toa ka

Tsy ho any aminao

Fa ny fitiavana tsy atao toy izao



Niova hono ianao, niova tsy toy ny taloha

Manao izay tianao atao

Izay no masaka andoha



Toetra tsy anananao, izay indray izao no iainanao

Mandeha mankatsy, mandeha manketsy

Tsy fanao

Aza omenao tsiny aho, raha toa ka

Tsy ho any aminao

Fa ny fitiavana tsy atao toy izao



KIAKA

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079