Aleo

Lohateny Aleo
Nampiditra rafakely
Tamin'ny 07/11/2005 04:34
Vangy : 542


Aleo hiato 

Satria tsy fitia

Tsy natao ho ahy 

Tsy natao ho antsika

Izaho tena tia

Ianao koa minia

Milaza fa hoe

Mbola tia, tena tia



Nefa tsy afaka intsony satria

Efa voafehy ny saina

Na izaho na ianao de mitovy

Fa isika no mbola mihevitra fa :



Mbola afaka hitia, ankalalahana

Tsy mahatsiaro fa hoe 'fa voafatotra

Tsy afaka hitia, ankalalahana

Fa fitia diso aoriana

Mety ho tena marina



Aleo hiato 

satria tsy fitia

Tsy natao ho ahy

Tsy natao ho antsika

Izaho mbola tia

Ianao koa minia

Milaza fa hoe tena tie, tena tia



Nefa tsy azo fefena ny fo

Ho tia na koa ankahala

Tsy hay fefena izay tia

Tsy hay hanarina koa mba ho hendry

Ka tsy hihevitra fa :



Mbola afaka hitia ankalalahana

Tsy mahatsiaro fa hoe 'fa voafatotra

Tsy afaka hitia, ankalalahana

Fa fitia diso aoriana, mety ho tena marina./.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081