Sarotra be ny hoe ...

Title Sarotra be ny hoe ...
Submitted by rac
On 01/11/2005 20:28
Hits : 289

Bb
Tonga izaho dia hiteny f'aza raisinao ho ratsy
Gm
Tonga dia hotsoriko f'izaho dia efa zatra
Eb
Ny fomban'ireo vehivavy mpampijaly sy mpandratra
Ebm
Tsy ho voahidiny intsony ty foko efa nigadra


Bb
Tonga izaho dia hitsoaka tsy ho tànany intsony
Gm
Na tonga izy dia voaroaka tsy ilaiko intsony
Eb
Nahoana ny samy olombelona no hifanindry toy izany
Ebm
Toa tena sarotra atelina ty fitiavana efa lany


Dm                        Gm
Tiako amboarina kely ny toetran'izy ireo
Eb                    F
F'iza moa aho no handahandahatra
Dm                        Gm           Eb
Ireo izay toy ny anjely toa devoly rahateo
     F
Nef'izaho miteny





Fiv: 


Bb
Sarotra be ny hoe tsy hila azy intsony
Gm
Henjana be ny hoe tsy tia azy intsony
Eb                                   Ebm
Mazana be ny hoe hiaina tsy hisy vehivavy




Bb
Tonga izaho dia niova fa tena tsy tantiko intsony
Gm
Ireo lambako efa niofo ny ranomaso tsy hitony
Eb
Avelako ireo fiafiana sy fandeferana
Ebm
Izaho tsy hangingina sady hotadiavina


Bb
Tonga dia omeko raha mitaditady hialona
Gm
Raha sendra misekoseko izaho ratsy fanahy
Eb
Raha mampifilafila ny saina amboarina
Ebm
F'izaho tena tsy mila ampitonatonanina


Dm                        Gm
Tiako amboarina kely ny fisainan'izy ireo
Eb                    F
F'iza moa aho no handahandahatra
Dm                          Gm          Eb
Ireo izay toy ny anjely toa devoly rahateo
     F
Nef'izaho miteny hoe





Fiv: 


Bb
Sarotra be ny hoe tsy hila azy intsony
Gm
Henjana be ny hoe tsy tia azy intsony
Eb                                  Ebm
Mazana be ny hoe hiaina tsy hisy vehivavy



Gb           Ab     Bb      
Maro ny lehilahy malemy fo
Gb           Ab     Bb
Misedra ny alahelo maratra fo
Gb              Ab      Fm               Bbm  
Ka ny ainy manontolo nosimban'ny olona iray
Gb                          F
Avelao ny fo, ny saina ampiasao




Fiv:





© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082