lasa i dada

Lohateny lasa i dada
Nampiditra jerico
Tamin'ny 13/12/2004 18:59
Vangy : 374
   Toa mangingina ireto ny mpianakavy

   Nilaozan\'i dada,nefa i zandry mbola mandady

   Lasa tsy niteny,fa hoe,veloma @ neny

   Dia samy nitomany,fa lasa ilay olo-mamy

                 

                Dada tsaroako raha ianao

                Ary tsaroako ilay teni-nao

                Tsy maintsy mandeha,efa voan-tso

                Sady efa ho avy ny andro sy ny antso

         

             ô Dada ô!

  

     ref:  Ianao irery ihany,no

           Nahitanay ireo mamy(teto an-tany)anao,anao..

           Izaho mitomany hatrany,toy izany

           Zoky sy zandry ihany(mitomany)anao,anao

   

     

   Mbola tsaroako ny fiainana rehetra

   Ny fijaliana nandalo ary nitoetra

   Jereo ange ny lamba ho enti-nao

   Fa bobongolo sy sisan-kalalao

 

              Ary inoako,fa ny nofo ihany

              Ho lasa vovoka,hanjary tany

              Fa ny fanahy hijery eny ambony

              Hijery ireto zazakam-boty

   

     ref: Ianao irery ihany,no 

          Nahitanay ireo mamy(teto an-tany)anao,anao..

          Izaho mitomany hatrany toy izany

          Zoky sy zandry ihany (mitomany)anao,anao..

      

   

                  Ireto zanakao

                  Tsy mahalala ny tomany

                  Nefa indrisy tokoa

                  Nandalovana ihany

                  Ny lehilahy mafy fo

                  Nefa rendrika avokoa

                  Tena lasa anao ry dada

                  Zay zahay vao tena gaga

                  Ny hasambarana,sy fifaliana

                  Indro lasa fahoriana

                  Ny kintana eny ambony

                  Hitsinjo anay irony

                  Ny ranomaso milatsaka

                  Ny aina sasan-tsasatra
milay be!!!

                  Tsy  izahay no nisafidy

                  Fa ny ao ambony no mandidy





             reffrain:  ô Dada ô!...........

                        .....     

     
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0456