Tsara petrapetraka

Lohateny Tsara petrapetraka
Nampiditra fijo
Tamin'ny 30/11/2004 01:07
Vangy : 724
intro:do sol re sol(2)

     TSARAPETRAPETRAKA


sol             re,sim             fa#
Tovovavy jefojefo,kala toa fetsifetsy
do               sol                   re7
no nahataratara ana,za moa avy any an tsaha
sol                re
roa taona nifanadala 
sim               fa#
izay aho vao nahalala
do               sol  re                   sol
fa tsarapetrapetraka ,tsarapetrapetraka aho e
do             sol            re              sol.
lehilahy mody ,lehilahy mody izao no famindrako(2)



Dia nanao fotoana ,teny amoronkady,

ny folakandron\'ny alahady,

namokovoko niakatra

tsy nahalala sasatra a,

fa sempotra nitrangalela any aho,

izay vao tonga saina,

fa tsarapetrapetraka,tsarapetrapetraka,

lehilmahy mody,lehilahy mody ,izao no famindrako(2)



Tsy hita maraina manjavona hariva

tsy mahatombotsiraka,

ianao toa mandreraka ahy,

izaho mivalanketraka a

nataonao papangon jaza any aho,

asidina dia ahoron tady,

tsarapetrapetraka,tsarapetrapetraka,

lehilahy mody,lehilahy mody izao no famindrako(2)



Niakatra ny vokatra andro fararano,

andron\'ny tsena be.

ny paosin\'ny malabariko amin\'izany 

feno vola be dia be,

dia niditra an\'ilay hotely any aho

ka lany vola nialamaina

fa tsarapetrapetraka,tsarapetrapetraka aho e

lehilehy mody lehilehy mody izao no famindrako(2)



Nanaovako kopile karavaty 

satroka bonetra tsara,

dia indro fa nanaraka ahy 

handeha hijery sonema

nisikinako lambahoany indray andro

nilaza tsy tao an trano

fa tsarapetrapetraka ,tsarapetrapetraka aho e

lehilehy mody,lehilehy mody izao no famindrako(2)



Dia nankalazaina fa andro asabotsy,

no hatao ny raharaha,

izaho moa efa sahy,

izy koa tsy nanda,

fa ny andro fampakarambady,

izay vao nifampitady

fa tsarapetrapetraka,tsarapetrapetraka aho e,

lehilahy mody,lehilehy mody izao no famindrako(2)





© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242