Tsy misy lohateny

Lohateny Tsy misy lohateny
Nampiditra wills
Tamin'ny 03/05/2005 14:30
Vangy : 520
mi             re
Ny rivotra mandalo ve
sim            mim
No mitondra tadio
mim           re
Ny rivotra mifafy ve
sim                mim
No mitondra io orana io


sol            re
Ny tany ve no ratsy
lam                    mim
Sa ny olona no efa lany vatsy
sol             re
Ny tany ve no boboka 
lam/misus4/do
Sa ny olona
    re           mim
No vizaka sy drodroka.



Dia hoy aho manontany tena

Mba ho aiza ihany no hiafarany

Gagagaga sy mihenahena 

Ny olona ao an-tanàna



Voazara ho antokotokon’olona

Voazara ho vondrombondron’olona

Nozarainy ho fokofokon’olona

Amin’izay angamba

Tsy ho vanon-kolona



Iza moa no tsy mahalala

F’izay mitambatra dia vato

Mampisalasala anefa reo mpanao afera

Izay mihamaro tatoato



Mitombo ny isan’izy ireo

Mitombo ny volan’izy ireo

Miroborobo ny aferan’izy ireo

Tsy laitra ny setrasetran’izy ireo.



Ny rivotra mandalo ve no mitondra tadio.

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081