Dify (Joely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny dify ery ambadika ery
Tsy miraika, tsy mikopaka aty
Toy ny masoandro mody
Nefa rahampitso tsy hipody

Ilay havako tiako izay
Ilay tokako hatrizay
Nandao ahy, nandao ahy, nandao ahy

Zaho izany tsy ampiampy fitia
Malaindaina, tsy very dia
Toa voronkely mamo
Ka latsaka an-drano

Lasa lavitra loatra izy e
Lasany any ilay fitia be dia be
Nomeko azy, nomeko azy, nomeko tononkira.serasera.org azy

Fa ny ewbbncl elanelan-tany
Toa lavitra akaiky ihany
Ka tsy ho todiko mihitsy
Ka manjary tsy haiko intsony ny mitsitsy
Ny tomany, fa mirotsaka ihany, tomany, tomany

Fa ny elanelan-tany
Toa lavitra akaiky ihany
Ka tsy ho todiko mihitsy
Ka manjary tsy haiko intsony ny mitsitsy
Ny tomany, fa mirotsaka ihany, tomany, tomany

Iny dify cmzaqvn ery ambadika ery
Tsy miraika, tsy mikopaka aty
Toy ny masoandro mody
Nefa rahampitso tsy hipody

Lasa lavitra loatra izy e
Lasany any ilay fitia be dia be
Nomeko azy, nomeko azy, gabo nomeko azy

(feon-kira)
Ilay havako tiako izay
Ilay tokako hatrizay
Nandao ahy, nandao ahy, nandao ahy

A/C : © Fanja Andriamanantena

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joely
Vangy : 1344
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Rudd
Daty : 24/06/2021 09:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117