Hevitra momba an'i ZAKA RAHARITIANASOA

Hiverina amin'ny ZAKA RAHARITIANASOA Hampiditra hevitra
hery ( 5 ora lasa)
Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny tononkira
ZAKA76 ( 5 ora lasa)
Malagasy mpamoron-kira ara-pilazantsara, monina La Frantsa. Nanomboka namoron-kira ny taona 1976 tany Toliara. Anisan'ny hira noforoniko tamin'izany HAZOLAVA izay hirain'ny SERAFIMA Toby Ambohibao, toerana nitomboako amin'ny hira ara-pilazantsara. Ankoatry ny famoronana hira dia mihira sy mitendry clavier aho ary namokatra lanonana toy ny concert, déjeuner concert, animations samihafa. Tao amin'ny SERAFIMA koa no nahafahako namoaka ireo sanganasako amin'ny raki-kira K7. Maromaro ny tarika noforoniko toy ny ALOALO (nandray anjara fifaninanan-kira Tranompokonolona Toliary1976) , Tarika GA (namokatra concert BASIA 1985), SERAFIMA (namokatra concert ROXY), ANTSAM-PITIA (namokatra concert FOKRIFA Antsirabe 1997), Tarika ZAKA RAHARITIANASOA amin'izao 2026 izao. Nahazo fankasitrahana samihafa: 1. Nasionaly hymne jeux des villes de l'Océan Indien 1991, 2. Faritany Mahajanga andro iraisam-pirenena momba ny fandriampahalemana, 3. Fiangonana Madagasikara/Frantsa hira faneva fiangonana, sampam-piangonana, mpiasam-piangonana, fikambanana, olon-tsotra sns... Ankoatry ny hira dia mamorona tononkalo koa aho: anisan'ny sanganasa vokariko amin'izao ny tononkalo amin'ny fitenim-paritra izay mivoaka amin'ny Radio SOATALILY isaky ny alakamisy. Mitohy ny asa famokarana sy fihirana araka ny tarigetra noraisiko ao amin'ny Salamo 40:3 "Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fiderana an'Andriamanintsika..."
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0071