Hevitra momba an'i X Crew

Hiverina amin'ny X Crew Hampiditra hevitra
aye ( 26/11/2007 09:48)
X crew dia fikambanana na koa groupe mihira Rap niforona tamin'ny faran'ny taona 1997, MC 02 avya ao amin'ny groupe Mas Donaka na Master Heat taloha fantatra tamin'ila y hira hoe mamay no namorona ny X crew. Fianakaviana X no niantsoana azy io tamin'ny voalohany ary nanakambana ny mpanao Rap
rehetra avy eny atsimondrano. Niova X crew izy taty aoriana ary
io no iantsoana azy hatramin'izao.
Valo no mpikambana ao amin'ny X crew amin'izao dia: Psykopasy, Bôska, Tasinapisy, Hadley, Stoko, Yaroun, Didax, Sool. Manana tageur iray ihany koa izy ireo izay mitondra ny pseudo hoe Eanj.
Efa maro ny seho an-tsehatra nisehoany ary mandray anjara matetika amin'ny fanafanana ny tapany voalohany amin'ireny fampisehoana goavana teto amintsika ireny : Busta flex tao amin'ny Palais de sport, Diams teny amin'ny kianjan'alarobia, Neg marrons tetsy amin'ny Smart tanjombato.
Ny fampisehoana niavaka nataon'ny X crew dia ny tao amin'ny Mozika vaovao
CCAC izay maro notsy tafiditra satria lany ny tapakila fidirana.
Clip 3 no efa vitan'ny X crew hatramin'izao: Heriko, tsy ifaninana amin'ny ôsika, Babakoto.
Miresaka ny trangam-piainana andavan'andro ny tononkiran'ny X crew
nionja ( 17/04/2006 13:36)
ny X-Crew dia clan. Eny atsimondrano eny rzala no msquaty-tana102-
Efa namoaka clip: Heriko
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2391