Hevitra momba an'i Voahangy

Hiverina amin'ny Voahangy Hampiditra hevitra
orthon ( 26/03/2009 06:18)
Anisan'ny Mpihira mahafinaritra ahy iz io, de tena miencourager az aho nohon'ny zava-bitany. Anisan'ny hitiavako az iany ko de le hirany arrangen'ny Sonn ren zan mba tena Akafiziko e
jeanlucarsene ( 08/04/2008 18:34)
firy taona moa izao i Voahangy amin'izao fotoana izao?
Belle ( 08/10/2007 19:00)
Miarahaba antsika rehetra mpankafy an'i Voahangy.

Vao haingana aho no nanoratra tamin'i Voahangy ka mifandray tsy tapaka izahay hatramin'izao. Ny azoko lazaina dia ny fahatsorany, tsy araka ny mampalaza azy. Ka marina daholo ny voalazanareo rehetra ireo hoe, raha toa azy daholo ny toe-tsain'ny mpikanto fanta-daza dia hahafinaritra. Maro amin'ireo "artista" mantsy no miavonavona ka raha tsy misy ilAny ny mpankafy azy, dia tena manainga orona tokoa izy. Ny mpankafy anefa no tena herin'izy ireny mampiseho ny lazany!

Mirary soa ho antsika rehetra, indrindra ho an'i Voahangy. Na dia efa zokiny amin'ny zava-kanto aza izy dia tsy mihanona amin'ny efa vitany fa mikatsaka hanatsara izany sy hanaraka ny toetr'andro foana.

Misaotra Voahangy nanome anay ny hiranao izay tambavy manampy amin'ny fiainana tokoa.

Manoroka mamy e!

Belle
miou ( 17/09/2007 13:20)
mba finaritra aho raha toa azy daholo ny artista
ny hirany tsirairay, tena samy manana ny mampiavaka azy
miou ( 17/09/2007 13:03)
mba finaritra aho raha toa azy daholo ny artista
ny hirany tsirairay, tena samy manana ny mampiavaka azy
ikalaholy ( 02/04/2007 12:30)
tohiny...
Ka matoa misy ny kanto tsara avoakanay dia noho ny fitiavanareo anay!
Tiako ny mampahafantra anareo mpankafy an'i Voahangy fa taorianan'ny hira "tora bato miverina" dia efa miala any indray ny hira vaovao "NY ANY AMINAY"
ny votoatin'ny hira vaovao izany dia noforonina indrindra ho an'ireo malagasy rehetra miaina lavitra an'i madagasikara - embona sy hanina ny tany niaviana.
Mbola alefako ato na ny tonony - indrindra moa fa ilay hira !
Dia mankafiza an'i Voahangy hatrany Tompoko!
Mirary soa ho anareo rehetra.
Indro apetrako eto ny ad. mail ko ho an'izay te hifandray, satria i Voahangy dia olon'ny fifandraisana : voahangy_serasera@yahoo.fr
ikalaholy ( 02/04/2007 12:20)
Voahangy mpihira malagasy ihany ity!
Misaotra ireo rehetra mankasitraka ny ezaka ataonay mpanakanto aho! Tiako ny mampahafantatra anareo fa matoa izahay miezaka dia noho ianareo ka
pissoa ( 28/10/2006 18:01)
Salama

Izaho tena mankafy Voahangy. Tena tiako ny tonon'ny hirany, indrindray ilay mampiseho ny zava-misy eny amin'ny fiarahamonina ireny. Tena tsy latsa-danja koa ny feony. Ny feon'i Voahangy mihitsy fa tsy ny feon-kira fotsiny.

Ankafiziko manokana ihany koa Voahangy + Raindimby.

Dia mirary soa hatrany ho an'i Voahangy.
dokantsah ( 04/02/2006 14:46)
Slt an!!!! k'aiza daholo e za zao tanora tokoa nefa mankafy voahangy ,tsy votery ny lehibe ihany no mankafy azy fa ny rehetra
istraky ( 03/02/2006 13:08)
Inoako fa efa voarain'i bozimanga ilay hiran'i voahangy torabato miverina izaho mihitsy no nandefa azy
bozimanga ( 18/10/2005 12:05)
izaho mba mitady ilay dikan- kiran' ny voahangy hoe tora- bato miverina izay mba afaka manome ahy dia misaotra mialoha eh (hiran'i clo mahajanga io)

rafilozofy ( 17/11/2004 06:52)
Finaritra tompoko,
I Voahangy dia mpanakanto mpihira isan'ny andrarezina eto Madagasikara. Be mpankafy tokoa izy indrindra ireo olona efa zokinjokiny. Satria manaraka ny toetr'andro sy ny zava-misy ny tononkirany. Matetika izy no mihira ny fiaimpiainany manokana. Ary betsaka ny manakanto miara-miasa aminy. Dia mirary soa ho an'i VOAHANGY sy ny Kantony.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2343