Hevitra momba an'i Tsiakoraka

Hiverina amin'ny Tsiakoraka Hampiditra hevitra
tahinamampianina3 ( 14/01/2022 10:55)
salama daholo nareo
Mimine ( 15/07/2004 07:06)
Miarahaba antsika rehetra.
Misy fanampim-baovao saika ho ampitaina fotsiny momba ny tarika tsiakoraka : niampy mpikambana vaovao ry zareo ary vehivavy izy io nanao an'ilay hira hoe : "ravintaratasy" fa hitanay tamin'ny tselatra indray mandeha. "Fenitra" hono no anarany.
Tsiakoraka ( 13/10/2002 20:30)
Niforona tamin'ny taona 1983 rehefa avy nanao service national tany Antsirabe. Ancien Lycee Gallieni daholo ny ankamaroany. Aveo moa dia mbola tafiaraka nanao SN tany Antsirabe tamin'ny taona 1982. Country, blues, ballade; ireo no ba-kira tena ankafizin'ny tarika. Mahaleo, Lolo sy ny tariny, Tselonina, Sareraka, Nono; ny hiran'izy ireo no fikalon'ny tarika Tsiakoraka fahiny. James Taylor, Crosby, Eric Clapton, sns, ireo no mpihira vahiny ankafizin'ny tarika. Tsy niheritreritra ny hanao ho fitadiavam-bola sy ny ho matihanina eo amin'ny sehatry ny hira ny tarika fahiny, fa dia fanala azy fotsiny no nifantoka tao an-dohany, ary tsy dia mpiakatra an-tsehatra matetika noho ny fianarana sy asa aman-draharaha. Taty aorian'ny nahafatesan'i Setra (31 Decembre 1994) anefa dia niverina tanteraka an-tsehatra foana amin'izay ny tarika. Vokatry izany dia namoaka raki-kira nitondra ny lohateny hoe "NAMANA" ny tarika tamin'ny Decembre 2001 ary hivoaka tsy ho ela ny kapila mangirana (CD). Hira 12 no ao anatin'ireo. "Ny andro androany - Tamboho - Masonialina - Setra - Very hevitra - Diaviko mafy - Namana - Raha sitrakao - Inay - Ladina an-tany - Ny ankizy - Zanaka an-trano". Ireto avy ny anaran'ny mpikambana: Liva, Doda, Gerard, Fidy, Mamy, Fidy (clavier), Andry. Ho hitanareo matetika tsy ho ela an-tsehatra foana amin'izay ny tarika Tsiakoraka. Misaotra dia veloma e!
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1832