Hevitra momba an'i TCR (Tarika Christophe Ratrema)

Hiverina amin'ny TCR (Tarika Christophe Ratrema) Hampiditra hevitra
AndoRAL ( 10/05/2008 09:40)
Mba omeo adresse -n'i TCR izay manana
mitia5 ( 22/11/2006 11:41)
Mba ampidiro lay hira hoe JEHOVAH TOMPOMASINA O !
( 13/10/2002 15:02)
Ny TCR dia niforona telo taona lasa izay , ary mihira hira ara-pilazantsara .

Ireto avy ny tanjon’ny tarika :
Miezaka mitady fomba fitoriana vaovao hatrany mba hisian’ny fivoarana eo amin’ny hira ara-pilazantsara.
Hampiely izany araka izay tratra na eto Madagasikara na manerana izao tontolo izao

Ireo dingana vita :
Namoaka raki-kira 2 : 1 « Aiza no misy » ( Des.1999) ; 2 « Anao aho Tompo o ! » ( Des.2001) sy CD 1 "Anao aho Tompo o! " ( Aog. 2002)
Mandray anjara ao anatin’ny VCD ara-pilazantsara voalohany nivoaka eto Madagasikara « Malagasy miantsa vol 1 »
Namorona ny hira « ‘Ndeha isika hifidy » niarahan’ny Artista 30 mahery nihira toy an’i Toto mandjwany, Rebika, Joy K, Nabaoh , Tirike , Imagine , …. Nanentanana ny rehetra handeha hifidy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. (Des. 2001)
Namorona ny hira « Masoandro miposaka »niarahan’ny mpanakanto ara-pilazantsara miisa 75 nihira. Io hira io dia hira famantaran’ny fivondronan’ny artista evanjelika, sady hira fanentanana nandritry ny hetsika fitoriana lehibe « Masoandro miposaka» natao teto Madagasikara nanomboka ny 1 jolay ka hatramin’ny 19 volana Aogositra 2002.
Efa saika nandraisan’ny tarika anjara avokoa ireo toerana lehibe fanaovan-danonana toy ny Hilton Madagascar, Palais des Sports Mahamasina , Antsahamanitra , ROXY , … akoatr’ireo fiangonana maro tsy ankanavaka.
Site web: www.dromadaire.com/tcratrema/tcr
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3381