SHAO BOANA (Lejoma)

Nampiditra Thymmo
14/03/2005 07:24
Hiran'i SHAO BOANA (Lejoma) 0 Jereo eto
Vangy : 2561
Mpankafy : 0 Ankafizo
SHAO koa fa namoaka abum raiky miaraka @ Mc Crotal, Mabôtô Tila,sns...
Fa hibôka koa zo ny 1ere album-nazy (@ martsa ty kamo). De tiavo manafo fa io nantsika!!!
ok jiaby ay!
Thommy ty: manafon'ny manga! ia ia!
MAY JANGAMA!!!

Hevitra momba an'i SHAO BOANA (Lejoma)

(07/06/2003 17:23)
Ingahy Shao boana dia anisan'ireo mpiangaly ny haintso haintso avy any amin'ny faritra avaratrin'ny Nosy iny (Mahajanga). Efa ela tokoa izy no niangaly izany, ary raha tadidintsika tsara angamba ilay vazo nalaza t@ fotoan'andro izay mitondra ny lohanteny hoe : "Volano zaho".
Tsy nitsahatra niezaka anefa ny lehilahy fa dia nikaroka hatrany, ka ankehitriny dia tonga amin'ny sehatra ambony tokoa izy: mazava ho azy fa nahatafavoaka album izy taty aoriana : LEJOMA, izay ahitana vazo tena tsara daholo.
Ingahy Shao Boana moa dia masiatsiaka ihany@ fitenenana , kanefa izay no maha Shao Boana an'i Shao Boana (manamporofo izany ilay vazo ao anatin'ny album, mitondra ny lohanteny hoe REBELY...). Kanefa, izy na dia masiaka hoatry izany aza, dia ny zavatra tsy rariny eto @ tanàna no mampirisika azy hanao izany.
Marihina etoana fa izy no lehiben' ny clan MAKOA izay midika @ teny frantsay hoe :"cheveux crepus".

Hiran'i SHAO BOANA (Lejoma) (0)

Mbola tsy nisy nampiditra hira

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107