Hevitra momba an'i Romule

Hiverina amin'ny Romule Hampiditra hevitra
bogom ( 15/04/2008 06:38)
indrisy .... natory romule ny 14 avril 2008 tamin'ny 04 ora hariva... romule,tsy hanadino ny mpankafy
narihe ( 09/07/2007 23:50)
Romule no tena atao ho isan'ny andrarezina eo amin'ny hira malagasy. Anisan'ny tao anatin'ny Tariny aho ka mahalala tsara izany atao hoe Hira Malagasy. Izy ihany koa no anisan'ny Malagasy lehilahy tsara feo hatrany am-piandohana. Tsara dia tsara ny lahateny navoakany teo amin'ny nanolorana azy ny mari-boninahitra izay nivoaka tamin'ny "Midi Madagasikara" N°6906, ny 20/04/2006. Nahaliana ahy tokoa izany teny navoakany izany. Hiriako anefa fa hanaraka azy hatrany ireo Mpanakanto ankehitriny vao misondrotra.
narihe ( 09/07/2007 23:34)

hertix ( 08/01/2006 18:21)
Rabarivola Romule no tena anarany fa tsy Rabarison izany. Tena mampiaiky ny fahaizany mihira mameno feo sy miovaova feo ao anaty hira iray.
benfid ( 26/10/2003 07:46)
1957 ny taona nihiran-dRabarison Romule voalohany. Tao amin'ny Métro na Ako ankehitriny izy no nisongadina voalohany.
Nihira nanao rodobe tamin-dry Rasoanaivo izy tany am-boalohany ireny.
Ny olona no nametaka ny anarana : "Kintana telo" fa tsy Gabhy, na Salomon na i Romule.
Namoron-kira izy, nefa ao koa ireo sanganasan'ny hafa ( Rolland Raelison, Dox, Fredy Raoilifanana, Ramaroson, Rivo Ramandiamanana, Bernard Randrianarison, sns... ) izay novetsoiny.
Ao koa ny hira tamin'ny teny frantsay izay nohirainy toa :
- Naviguer dans tes yeux
- Valse d'amour

Rija Razafimahefa ( 11/01/2002 16:50)
Mpihira ao @ tarika "Ny Kintana Telo" ... manana feo tena mampodimandry ... "Chanteur de charme" malagasy tsy manampaharoa ...
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2485