Hevitra momba an'i RABERANTO

Hiverina amin'ny RABERANTO Hampiditra hevitra
dahfara ( 29/05/2015 20:59)
Mba misy manana album Raberanto na kasety efa taloha ve ? izaho mitady hovidiako izay manana.
vonitex ( 14/04/2006 17:09)
mahereza RABERANTO a Andriamanitra ange hita antsika rehetra
dokantsah ( 20/10/2005 14:19)
Mbola adinonareo i LAINGO le nihira ny " VETSON'NY KAMBOTY" ,izy io dia zanak'i sahondra raberanto izay efa nodimandry ka namoaka hira vaovao miaraka @ olon-kafa ndray i Nono, ny zanak' i Sahondra rehatra moa zany dia any am-pita daholo ka lasa nitady mpihira vaovao i Nono; fa mbola ho avy ry zareo Ary de niteny fa amerina ny hiran'ny mamany
RABEGASY ( 22/07/2004 12:32)
RABERANTO izay azo lazaina fa havana akaiky amiko ihany : tamin'ny fahakeliko dia efa maro ireo hira tiako ary nahafantarako an-dry zareo. Marihina fa mpianadahy iraitampo ry zareo. Somary nijanona kely izy ireo teo ary efa saika niverina nihira indray saingy nisy ny fahoriana dia tsy tanteraka izany. I Bera izay efa nody mandry no mpanohana ara-bola ny tarika izay efa nody mandry. Ny zanaky ry zareo koa dia afaka nandimby azy ireo tsara satria efa havanana tokoa teo amin'ny mozika dia i Mamitiana, Claudia izay miara-mihira amin'i NONO amin'izao fotoana izao. mbola maro fa aleo aloha faranana.
Chrystian Rakotovao ( 09/04/2003 16:45)
Efa tamin'ny taona 80 tany izy ireto no nihira saingy nijanona kely dia izao niverina izao. Efa nisy nodimandry ny sasany amin'izy mianadahy ireto ka dia izao navaozin'ireo sisa tavela miaraka amin'ny zanany izao ny hirany. Namoaka horonan-kira voalohany i Raberanto izay nampitondrainy ny lohateny vetson'ny kamboty.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1941