Hevitra momba an'i Ossy

Hiverina amin'ny Ossy Hampiditra hevitra
SOLOFO63 ( 22/02/2007 18:16)
MITADY TONONKIRAN°I JENERALY AHO
DIA MAMPIDIRA IZAY MANANA MISAOTRA
lemenakely ( 21/06/2006 09:10)
Raha ny vady no mivadika hira iray izay nahalalàko ity mpanakanto 1 ity
Rija Razafimahefa ( 16/01/2002 15:14)
Oscar RANDRIA dit OSSY (09/04/1920 - 08/09/1992). Zanaka faralahy (t@ 10) an'Itpkl Adolphe ANDROANILANA sy Itkv RAVOLOLOMBOAHANGY. Mpihira tena malagasy nisandratra tao anatin'ny fianakaviana mpihira sy mpanao teatra (Naly Rakotofiringa, Frères Rabesahala, Raozilala, Ranaivo Ranarivelo ...). Nanomboka fanta-daza t@ taona 1945. Nilalao teatra ihany koa tao @ tropy RAnaivo-ranarivelo, Rafidimanantsoa sy ry Naly ... Isan'ireo atao hoe "Chanteur de charme" voalohany ary isan'ny Mpihira an-tsehatra voalohany ihany koa (taloha ny hira dia t@ teatra ihany no nohitana azy) niaraka t@ Naly R. Jeanne Naly, Ludger Andrianjaka ...
Ossy, Andrarezina iray @ hira tena malagasy, nanaja ny teny malagasy ... Indreto misy hira vitsivitsy tena nahafantarana an'Ossy ... tsy fanadino ary mendrika ny holazaina.

" Raha ho avy ilay fotoana izay handaozako ny tany, ireo izay manoloana dia hisento, hitomany ..."

Rija Razafimahefa.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7739