Sarin'i Ny Antsa Fitiavana

Hampiditra saryMombamomba an'i Ny Antsa Fitiavana
Nampiditra malilatiana
01/06/2009 20:51
Août 2008 tany Antsirabe. Sasantsasany taminay. Faly tokoa nanatanteraka ny fitoriana tany. Mahereza ry ANTSA FITIAVANA fa manomboka eto Toamasina ka hatrany amin'ny faran'ny tany no anirahana anareo.
Nampiditra malilatiana
01/06/2009 20:51
Andry, Lalaina (Paul), Naina, Laurent (Lôlô), ary i Tovo. "FANTATRAO" no hohiraina eto. Hiram-bavaka mampihetsi-po, maneho tsy fahatanterahana; ary dia tena mitanondrika tokoa izy ireo ao anatin'izany.
Nampiditra malilatiana
01/06/2009 20:51
Mbola sary nalaina tamin'ny faha-5 taona ihany, tany Toamasina, ny Desambra 2007, ireo aloha ireo kosa izy 5 mirahavavy, Arlette, Lalaina, Lalao, Diamondra, Lalanirina, Fafah. I Lalao (2év) sy Diamondra (1ère v) moa dia mpirahavavy iray tampo. Misaotra an'Andriamanitra tokoa ny " NY ANTSA" nahazo azy ireo. Sady resy lahatry ny Tompo tanteraka izy mirahavavy, no manana feo kanto ihany koa.
Nampiditra malilatiana
01/06/2009 20:51
Ireo izy 9 mianadahy. Izy ireo no mpikambana nanorina ny Tarika hatramin'ny niandohany. (Ahitàna an'i Andry, Lalaina (Paul), Arlette, Lalaina, Naina, Laurent (Lôlô), Tovo, Lalanirina, Fafah). Mihira ny "ISAORY AZY". Sary nalaina tamin'ny fankalazàna ny faha-5 taonan'ny Tarika tany Toamasina io, ny volana Desambra 2007.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7342