Hevitra momba an'i Naly Rakotofiringa

Hiverina amin'ny Naly Rakotofiringa Hampiditra hevitra
Papasoul ( 30/01/2020 17:19)
Tsara avokoa ny hiran'ny tarika. Fa misy hira iray izay tsy hita lisitra mihintsy ! !! Tsy fantatro hoe nahoana??? Ny lohateny dia hoe: "Tahotra" ary ny nikalo azy dia I Sha ary ny dadany no nitendry. Iza ré no mba manana an'io vidéo tao Parisy io e?? 1979. Misaotra.
dadax ( 23/10/2015 10:19)
Tiko e! fa raha misy mahay ilay tonony eo amin'ny voalohany eo fa ohatry ny misy diso ilay izy, ialy hoe: inona ary no (mibaiko) ry lahy sa, no mivady? misaotra ho an'izay afaka manitsy
mmmm ( 17/10/2008 10:24)
misy hira iray naly angamba no mihira azy tsy fantatro izay lohateniny fa ao anaty tonony kosa misy manao hoe:"...hotahiana anie ry neny, reny rehetra rehetra ireny..." mikasika ny reny io hira io koa izay mba manana tonony dia mba mampidira e!
hertix ( 08/01/2006 16:02)
Araka ny siosio re dia manam-pahaizana amin'ny lafiny mozika avokoa ny taranak'i Naly RAKOTOFIRINGA. Ho anareo no anoratako izao hoe mba velomy re ny sangan'asan'izy mivady fa manjary anjakan'ny hafa
( 07/11/2001 11:11)
Raha ny tena izy dia tsy dia mpihira loatra i Naly RAKOTOFIRINGA fa mpamoron-kira sy mpanao teatra. Maro ny tena mpihira no mihira ny sangan'asany. Singanina manokana eto i OSSY, Ludger Andrianjaka sns ... Raha tinao ny sangan'asany dia jereo ao @ ireo mpihira voatonona teo ireo.

Rija R.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1777