Commentaires sur Modeste

Revenir à Modeste Ajouter un commentaire
miako ( 05/11/2003 11:51)
Modeste Hugues RANDRIAMAHITASOA no anarana feno. Monina any Londres Angleterre ny lehilahy. Manambady ary manan-janaka lahy iray izay miara-milalao mozika aminy. Laget Prodromos Konstantinos RANDRIAMAHITASOA no anaran'io zanany io. Ankehitriny dia CD iray izay no vitany izay mitondra ny lohanteny hoe:"Modeste". Hira 9 no voarakitra ao anatin'io CD io. Hira iray amin'ireo ihany no teny vahiny (grika). Ny mpiara-mitendry aminy kosa dia vahiny avokoa. Tsy teratany anglisy anefa ireo.Matetika Modeste dia mivezivezy tsy ao Europe ihany fa saika manerana an'izao tontolo izao. tamin'ny fotoana nihaonay taminy tany Londres dia nieritreritra izy ny ho tonga hampiseho ny talentany amin'ny malagasy fa ny fotoana kosa no mbola tsy fantatra.
Raha tianao ny ahafantatra azy be be kokoa dia azonao atao ny mijery ny site web www.modeste.co.uk
miako ( 03/11/2003 11:22)
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.181