Commentaires sur MIKA

Revenir à MIKA Ajouter un commentaire
istraky ( 25/04/2008 09:21)
Efa miara-mihira @Davis Franklin zao i Mika.
Jereo eto amin'ity lien ity : Mika sy Davis
fidyrobinson ( 29/12/2006 13:20)
mba te hihaino ireo hiran'i Mika eto @ "Radio Vazo Gasy"
Dia misaotra mialoha!
Fidy
razaam ( 20/12/2004 15:25)
i MIKA dia tovolahy manana ny hoaviny tokoa raha ny resaka mozika no tenenina. Any any amin'ny renivohitry betsimisaraka izy ary ilay hira mitondra ny lohateny hoe "tadidinao" no nahalalana azy voalohany ary mbola io hira io ihany koa no nahazahoany ny laharana voalohany teto Madagasikara tamin'ny fifaninanana hira madinika ho solotenan'ny malagasy ho any @ jeux de la francophonie tany Canada. Dia taty afara moa dia namoaka ny clip "tafanambitamby" izy ary efa mivoaka eny amin'ny fivarotana isankarazany eny moa ny sangan'asany CD sy K7. Tsy vitan'ny mpamorona izy fa sady mpitendry ihany koa ary mpandrindra ihany koa eo amin'ny lafiny teknika miaraka amin'ny solontsaina ao amin'ny studio ravinala taloha na hoe studio 58 ao Toamasina. Manana tombony tokoa izy satria sady mpanakanto no teknisianina ihany koa. Koa dia mirary ny fahombiazana ho azy izahay.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3151