Hevitra momba an'i MIANGALY

Hiverina amin'ny MIANGALY Hampiditra hevitra
rahalahy ( 17/03/2006 17:07)
dia faly miarahaba ny rahalahy sy ny anabavy rehetra ao amin'ny Miangaly ary miarahaba ireo mpankafy rehetra koa.Taona maro tokoa izay no tsy nifaneraserana 5 taona sahady .Be ny zavatra niova taloha isika tokan-tena avokoa ary ankehitriny ny ankamaroany efa ao antin'ny tokan-trano sady nahazo fara sy dimby.Haleloia .Fa be aza hoa ny zavatra niova nandritra izay 5 taona lasa izay dia misy Iray izay tsy niova mihintsy ary tsy hiova mihintsy mandarkizay dia i Jesoa Kristy izay antony nijoroan'ny tarika Miangaly.Io no nahatonga ilay hira hoe Tsy miova ary marina amin'ny fotoana rehetra izany koa mahereza amin'ny asa efa nifidianan'ny Tompo antsika satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'i Kristy Jesosy.Ho an'ny tarika Miangaly sy ny mpakafy rehetra.
Ny rahalahinareo ihany aty lavitra aty
rigo ( 10/08/2004 18:17)
Ny Miangaly izany dia tarika tena mahay tokoa ary tokony ho lasa lavitra saingy diso mikobona loatra fa tsy misokatra.Sa tsy mahatoky tena?Indraindray koa efa sahiranin'ny fiainana dia manadino ny hira angamba.Raha ny fahaizana mitendry sy mamorona ary mihira dia tena ao amin'io tarika io tokoa saingy misy zavatra ohatry ny tsy mety mi-decole izany mihintsy.Ny nandehanan'i Njaka tany an-dafy ve no nanova zavatra?Tsy haiko.
Raha fehezina amin'ny teny fohy dia tonga amin'ilay teny vazaha hoe "ils meritent mieux"
dronga ( 28/06/2004 15:11)
tarika miangaly manana ny mampiavaka azy tokoa ny tarika ;sady tsara be daholo ny hirany ;izy rahateo koa mahay mihira be daholo sady cool be daholo e izy e toa an-dy njaka ;tabita; hajaina ;eric;haja-be;...
( 09/10/2002 18:00)
Ny tarika miangaly dia niforona tamin'ny volana Mars 1999 tao amin'ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo.Tanora samy nanana ny làlany sy ny traikefany tamin'ny toerana izay nalehany avy izy ireo no nifanena teo Ambohipo satria saiky samy mpianatra teny amin'ny Université avokoa.

Ny tanjon'ny tarika moa dia ny hitory an'i Jesoa Kristy amin'ny alàlan'ny hira.Ary kasain'izy ireo atao amin'ny tenim-paritra rehetra misy eto Madagasikara izany.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1772