Hevitra momba an'i Mbolatiana

Hiverina amin'ny Mbolatiana Hampiditra hevitra
swiff ( 17/10/2003 23:31)
( 22/08/2003 06:40)
Anarana : RANARISOA
Niantomboka tao amin'ny tarika "Maxi"(rap),avy eo niaraka tamin'ny tarika "Poopy". Nampiara-peo tamin'i "Njakatiana"(Sarotra ny mitia),"Rija Ramanantoanina"(Fitiavana mamiratra),"Jeannot R."(Tsy anjara)tamin'ny rakikirany tsirairay avy. Mpihiran'ny "Trio La Romance"(Datita Rabeson-Eric Rakotoary).Nanomboka nitondra ny anarana Mbolatiana.Nihira ny fanevan'ny lalao fahatelon'ny"francophonie"(La lumière qui nous unit).
Namoaka ny rakikira voalohany"Ho anao" misy an'i "Mpilalao fitia"sy ny kapila manjelatra"Mbolatiana"fiaraha-miasa tamin'i Silo.
Nihira tamin'ireo"comédie musicale" telo noforonon'i Mialy Rajohnson.Nampiara-peo ihany koa tamin'i Jean Jacques Goldman tamin'ny fandalovany teto an-tanindrazana.
Ankehitriny mipetraka any am-pita izy ary mbola manohy ny asa maha-mpanankanto azy.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3185