Hevitra momba an'i Mamy Robinson

Hiverina amin'ny Mamy Robinson Hampiditra hevitra
mcboy ( 12/07/2007 15:58)
mlay kosa alou lé feo an!! surtou refa manao gaspel, toizo fa tsara eh!! d az atao ambanin-javatra ny fiderana... siXX
Mirana ( 23/10/2001 00:10)
MANIN-TE HODY

Rehefa manin-te hody fa lavitr’akany
Rehefa manin-te hody fa manembonembona ny any
Manin-te hody tafasaraka sy lavin-tany
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody
Afaro 'rony volana aman-kintana irony raha manin-te hody
Ilazao hoe kaky sy neny @ izay fa izy manin-te hody
Ny tambitamby tanilanareo mba manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho manin-te hody

Ref:
Vetsoy ny hiranao o raha manin-te hody
Vetsoy ny hiranao hanako ho tonga any raha manin-te hody
Ny hiranao no vetsoy o raha manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

O ry zoky sy zandry izaho irery aty manimanin-te hody
Tsy tafandry mandry ka velon-toloko fa manin-te hody
Ny adiady sy sangy tanilanareo mba manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody
Manin-te hody, lasa lavitra aho, lasa lavitra anareo
Manin-te hody, malahelo aho, malahelo, mitoreo
Manin-te hody, tsy tamana aho tsy mahasaraka anareo
Manin-te hody aho (3)

Ref:
Vetsoy ny hiranao o raha manin-te hody
Vetsoy ny hiranao hanako ho tonga any raha manin-te hody
Ny hiranao no vetsoy o raha manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

Efa ela nisarahana t@ tapaka sy namana aho
Lasa aty an-tany lavitra fa mba mila ravin’ahitra aho
Voatery nandao ireo havana aho
Voatery nandao ny tanindrazana aho
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

Ref:
Vetsoy ny hiranao o raha manin-te hody
Vetsoy ny hiranao hanako ho tonga any raha manin-te hody
Ny hiranao no vetsoy o raha manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

MAMY ROBINSON

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1794