Hevitra momba an'i Ludger Andrianjaka

Hiverina amin'ny Ludger Andrianjaka Hampiditra hevitra
narihe ( 09/07/2007 23:50)
Araka ny fitadidiako dia izy no Malagasy voalohany tafiditra tao amin'ny Opéra teto Paris. Mbola tsy nahita aho na nahare aloha hatramin'izao hoe iza no Malagasy no mety hahadimby an'i Ludger Andrianjaka?, na eo amin'ny lafin'ny feo na lafin'ny fihiràna?
narihe ( 09/07/2007 23:49)
Araka ny fitadidiako dia izy no Malagasy voalohany tafiditra tao amin'ny Opéra teto Paris. Mbola tsy nahita aho na nahare aloha hatramin'izao hoe iza no Malagasy no mety hahadimby an'i Ludger Andrianjaka?, na eo amin'ny lafin'ny feo na lafin'ny fihiràna?
hertix ( 08/01/2006 15:43)
Mpihira malagasy tena niavaka tokoa raha i Ludger ANDRIANJAKA. Izy irery mantsy teto Madagasikara no nanao ilay atao hoe voix d'opéra (toa an-dry Pavarotti). Maro ireo mpamoron-kira no nanome ny hirany hohirain'i Ludger ANDRIANJAKA. Voalohany tamin'izany i Naly RAKOTOFIRINGA izay tena niara-niasa taminy akaiky tokoa. Tao koa ry Ramaroson Wilson, Fredy Raoilifahanana, Therack ... Raha ny niara-nihira taminy indray dia tao ry Jeanne Naly, Mme Fara, Ossy. Ny mpitendry nanaraka azy dia Naly RAKOTOFIRINGA, RAMAROSON Wilson, Raymond RABESON, Iharry ary Haja RAKOTONIMANGA. Anisan'ny hira nampalaza azy ny "Ary elatra", "Vohitra manga", ary "Nosy Tanindrazako".
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1825