Hevitra momba an'i KTKT (Kristiana Tanora Katedraly Toliara)

Hiverina amin'ny KTKT (Kristiana Tanora Katedraly Toliara) Hampiditra hevitra
mniriko ( 03/04/2018 16:54)
Ny taona 2017 lasa teo dia nandalo fotoan-tsarotra ny KTKT AKON'ANTSIVA.Niezaka nandravona ny olana teo amin'ny amperin-kira sy ny maintimolaly ny Filohan'ny synodam-paritany RAZAFIMAHATRATRA Angelo Modeste.Nohatsatsoin'ireo namana maro sasany izany hetsika mahatehidera izany noho ny fitiavam-boninahitra ka nanadinoana ny maha an'Andriamanitra ny asa.Fampihavanana no nokasain-katao mba hampatanjaka ny KTKT amin'ny fandraisana ny zaikaben'ny FKTLM izay hatao aty Toliara ny volana oktobra ho avy izao, kanjo ady an-trano no nitranga ka dia voatery noravaiina sy nahantona aloha ny KTKT.Ny volana febroary 2018 lasa teo vao natao indray ny fananganana azy ofisialy ary dia isaorana ny TOMPO fa mahatratra eo amin'ny 130 mahery eo izao ireo nanolo-tena nirotsaka hanatevin-daharana ny isa.I NIRIKO MARJAONA FELICIEN (dit FELY) ihany no chef de choeur tafaverina fa ny sisa tsy nety niverina intsony.Maro amin'ireo mpikambana teo aloha koa no tsy nety niverina intsony na dia natao ny fomba rehetra mba hiverenany.Ny Fanahy no angatahana hiasa mafy hamerina azy ireo indray ao amin'ny valan'ny KTKT.Ny maintimolaly aty Toliara moa dia noravaina nanomboka hatramin'iny fampihavanana nataon'ny filohan'ny synoda iny ary mbola tsy misy hatramin'izao.Tokana ny KTKT AKON'ANTSIVA ankehitriny ary vonona hitazona sy hampiakatra avo hatrany ny maha izy azy izay efa nahalalanareo mpankafy azy.
mniriko ( 04/05/2016 07:22)
Ny KTKT AKON'ANTSIVA dia antoko mpihira velona eo anivon'ny Fiangonana Loterana Malagasy.Efa ho 50 taona mahery izao ny nisiany ary dia mbola manohy ny asa fitoriana an-kira ar-pilazantsara hatramin'izao.Tsy mitsahatra mitombo sy mihavao hatrany ny mpikambana.Amin'y maha seha-pitaizana azy dia mandalo ny ankamaroan'ny mpikambana.Manao zay tratry ny herine anefa ireo CHEF DE CŒUR rehetra nifandimby mba hitazonana ny traikefa izay efa nananan'ny fikambanana.Telo ny co-Chef de cœur nanomboka ny taona 2010 ka hatramin'izao dia i ANDRIAMBAHINY HAJA sy NIRIKO MARJAONA FELICIEN (dit FELY) ary i JOELSON LYVAH MBOLATIANA.Manana coach technique ihany koa ny KTKT dia i RICHARD (dit BIVY).Mpamoron-kira sy mpandrindra hira avokoa ireo olona efatra ireo ka ireo ihany no mamatsy hira ny album izay vokarin'ny KTKT Akon'antsiva.Mihira hiran'olon-kafa ihany koa ny Akon'antsiva fa ireny dia ampiasaina amin'ny culte ao ampiangonana ihany matetika.Eo amin'ny 100 latsaka kely ny mpikambana nisoratra anarana tamin'ity taona ity.Havaozina isan-taona ny lisitry ny mpikambana ao mba hahalalana ny tena amperin-kira.Betsaka manko ireo izay efa nikambana tsy maharaka ny andraikitry ny fikambanana intsony ka misy ny mijanona, misy ny mivondona ao amin'ny MAINTIMOLALY.Ny toe-javatra mampalahelo dia lasa mifaninana amin'ireo amperin-kira indray ny MAINTIMOLALY ankehitriny fa tsy mba zoky mpanohana araka ny maha Maintimolaly azy ka na misy aza fitadiavam-bola ataon'izy ireo dia sady tsy mampahalala ny komitin'ny KTKT izy ireo no tsy mandrotsaka ny 60% tokony ho anjaran'ny KTKT avy amin'ny fitadiavambola izay ataony.Manginy fotsiny moa ny fakana ny contrat izay sendra henon'izy ireo mialoha ho an'ny KTKT.Mangataka vavaka aminy rehetra mba hiravonan'ny olana fa lasa simba tanteraka ny aim-panahin'ny mpikambana vokatr'io teo-java-mitranga io.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2627