Hevitra momba an'i Johary

Hiverina amin'ny Johary Hampiditra hevitra
sandrify ( 29/07/2010 11:08)
Tena tsara daholo kosa aloha ny hirandry zareo e, sady ny feon'izy rehetra tsara daholo
Ary mba aiza iany le raki-kira nampanantenain'i Goth tany amin'ny esca tamin'ny le spectacle farany teo e, zay zao efa mba sasamiandry ery
Dia manantena tsy ho ela e
cienna ( 11/03/2008 07:29)
Manao aôna daôly ,mpankafy Johary ny tena fa dia tsy mahita ilay tonokira misy hoe :
Ento moramora ihany
zany lalanao izany
fa tsy misy tokony hahamaika anao.........

Diso lalana ka ditsoka anie
fa aizinkitroka no holalovana
tena ady sarotra tsy kilalao....

Dia mba mangataka izay manana re fa tena mbamila e

Misaotra indrindra.

Milay Johary a
KLOUTSOU ( 15/02/2008 08:09)
milay be le vazo e! mba mangataka @ tarika Johary mba hamoaka CD an'ireny hira taloha ireny (Aza avela-Manuela-putcha sns...) fa tena mba mampahatsiaro ny taloha ireny e. Misaotra mialoha e!
ramack ( 30/11/2007 12:42)
tena mpanjakan'trio ry zalahy e!ekena fa tsara feo doly ry zareo fa i Luc no tena manakatra be ao e!milay an?
amelis ( 16/03/2007 13:58)
raha ny tena marina de mahay mihira ry zareo, na hira taloa na ny ankehitriny de voany daholo ka de misaotra an-dry zareo e .fa zany ka tena kanto
liana ( 04/08/2006 14:24)
anisan'ny tena mpakafy ny tenako, dia maniry soa ho andry zareo, ny ahy kosa ndray dia luk no tena mba tiako, mahafinaritra e!
zidane ( 01/12/2004 12:44)
Ry zalahy no mpihira reveko indrindra.Enjana be ny feo sy ny style entindry lerony.Ao ny milaza hoe be zesta be ry zalahy nefa iny mihintsy no tena mampiavaka anazy @ sasany
Hita miharihary koa ny fahaizany rehefa manao interpratation an'ireo hira taloha izay matetika tsara noho ny original aza,koa tsy mahagaga raha voaantso foana ry lerony @ hetsika toy ny tana in love...Iangaviana zay mpakafy mbola manana ilay 2fr50 hanoratra fa vonona ny hividy lafo za.
fijo ( 09/11/2004 23:30)
ny ahy aloha dia i goht no tena mba haiko,satria niara nianatra izahay roalahy tamin'ny taona faharoa teny ankatso.mitovitovy amin'i sarin'i hery io i lery ary bandy tia mitsiky koa.
tsaroako tamindry zalahy vao hanao fampisehoana voalohany dia izahay no nivarotra ny tapakila.dia maro no nanontany hoe tarika inoan koa izany?fa nony nampihainoana ilay ira"manoela"dia gaga hoe tarika avy aiza izany?
mahay sary be koa i lery ary rehefa tsy mahita atao izay ao ampianarana dia manao ny sarin'ny akama no ataony.
fa vao nivady moa izy sy vero dia tsy nifankahita firy intsony izahay,raha tsy izy tonga taty marseille indray.
ry zalahy ireo sy ricky no tarika tena nanaitra ahy tamin'ny taona 80.mahay ireo ary tia mikaroka,ka tokony ho lasa lavitra.
treza ( 10/08/2004 12:54)
Nisy fivoarana ben y sehatry ny zava kanto tany amin’ny taona 80 tany any ka maro ireo mpihira vaovao tonga , ary isany izany ry tarika johary.Tamin’ny luc , nono goth tany ambatondrazaka dia mihirahira ry zareo t@ izany dia mbola tsy misy ny tarika . noho ny tonga taty tana dia namorona ny tarika i nono sy luc .nahita izany i herinaivo (goth ) dia niditra koa , tao aoriana izay vao niditra i mahery fa mbola nanampy azy ireo ihany koa i nirina na i ranix izay ao @ tarika REBIKA .Tamin’ny taona 89, 90, 91 teo no tena nampalaza azy ireo .ny hirany tamin’izany ohatra dia ry MNOELA . SPI . SABLE COCO SOANAMBO TRIO . afaka kelikely dia nanomboka naka hiran’olona ry johary ohatra ioh ry sahondra (raosin’ny paradisa)s(mahaleo). Nandritra ny fotoana elaela dia takona kely zareo , ary samy naka ho azy kely ; mahery sy luc manao cabaret i goth niasa tao amin’ny star no sady mpampiomehy avy eo ry zareo nanao interpretation barijaonina oh suzah . 3 taona ngamba izay no lasa dia niverina soamantsara ry zareo ary efa samy lehibe avokoa .Manana rakikira 2 ry zareo dia i 2franc 50 ; sy tiako foana .amin’ny izao fotoana izao dia manao fampiseona 1 isan-taona ry johary .za mpandefa dia mankafy andry zareo satria mitovy ny revinay eo main’ny lafiny mozika . mazotoa hatraminy farany ry tarika johary a
Tsist no nandefa atolotra ho an’ny chihuahua na i ri…veloma o
Chihuahua ( 01/04/2004 07:08)
Ny andry zareo tsy dia atao fitadiavam-bola fotsiny ny hira fa tena ankafiziny mihitsy, hany ka tsy namoaka afatsy raki-kira roa izy ireo.
Samy manana ny zavatra ataony ry zareo ankoatran'ny ao amin'ny tarika, ohatra: Goth manao Momota, Luk sy Mahery dia miaraka manao cabaret matetika.
Efa nisy koa ny fivoahana nataon-dry zareo tany ivelany ary mbola ho any izy ireo amin'ity taona ity, mety amin'ny erinandro raha tsy diso ny fitadidiko.
Dia akafizo ry zareo fa mahay mihira be. Izay mba manana ny sariny dia mba asio ato fa mahafinaritra be anie ry zareo e!!!
Chihuahua ( 30/03/2004 12:38)
Nono sy Luk no namorina ny tarika Johary tany Tamatave tamin'ny 1986. Teo ampanatontosana ny "service nationale" no nifankahitany tamin'i Mahery.
Raki-kira 2 no navoakan-dry zareo hatramin'izay:2F50 sy Tiako foana.
Manao "interpretation"koa ry zareo:Barijaona sy Jeneraly.
I Mahery no tsara feo indrindra sady bôgôsy an! Eny e, tsara feo sy tsara tarehy daholo zareo fa Mahery no tena hankafizinay.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4596