Hevitra momba an'i Henri Ratsimbazafy

Hiverina amin'ny Henri Ratsimbazafy Hampiditra hevitra
papay ( 10/02/2010 07:41)
Mankasitraka hatrany ny hiran'i Henri Ratsimbazafy, indrindra fa ny hiram-pivavahana aho ary manolotra sosos-kevitra @ Henri Ratsimbazafy hoe mba ataovy CD AUDIO ny hiram-pivavahanao fa mahafinaritra, K7 no efa nananako misy ilay Ampianaro aho iny fa tsy hiram-pivavahana iray manontolo no ao anatiny.
soritra ( 24/02/2009 16:10)
HENRI RATSIMBAZAFY raha mangataka hira nao ve dia manome ianao ohatra hoe lay hira "fahoriana " sy ny hafa
Sedakely ( 20/02/2008 09:21)
H.ratsimbazafy
mbate ahalala ny momba momba azy, mpakafy fa saingy tsy mahalala azy loatra e§
MIBOUN ( 25/12/2006 16:09)
Manasa antsika rehetra mba handray anjara amin'ny fividianana DVD HENRI RATSIMBAZAFY e. Tohano ny mpanakantontsika e !!!
hertix ( 30/03/2006 19:32)
Tsara ho fantatra koa fa ny raki-kirany izay nataony tany Frantsa (Fony aho, Ianao, Talaky mandeha, bobongolo ilay fitia ...) dia izy avokoa no nitendry ny piano, ary zanany vavy no niaraka nihira taminy. Izany ka tena mpanankanto feno!
rasera ( 19/03/2006 21:56)
Tsara fakan-tahaka ho an'ny rehetra na vao misandratra na efa ao anatiny. Mpanan-talenta feno, na tonony na feony, na fandriandrana feo, na hira tsotra na hiram-pivavahana. Fa ity no adino, efa mpitsoka trompety fahiny, saingy adino izany ankehitriny.
akamabaonina ( 05/11/2005 11:08)
omeo tonokira zay e!
akamabaonina ( 05/11/2005 11:07)
omeo tonokira zay e!
kissmirana ( 02/11/2005 17:57)
misaotra an'i andriamatoa Ratsimbazafy, harintsoa mpankafy
chouchou ( 31/10/2005 15:49)
ten misy Henry Junior aty Marseille re olona
mankafy io bandy io
MAMINIRIANA ( 16/09/2005 11:39)
Lehilahy goavana ity rangahy ity, mbola mananana ny maha izy azy izy. Na ny tanora aza tsy vitsy ny mankafy azy.
hery ( 20/09/2003 07:37)
Henri Ratsimbazafy... mbola mitana na dia efa 40 taona nihirana aza
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1786