Hevitra momba an'i HANITRA NENTIN-DRAZANA

Hiverina amin'ny HANITRA NENTIN-DRAZANA Hampiditra hevitra
naritsimba ( 23/01/2007 11:55)
Azonao atao koa ny mijery ny mombamomba azy eto
http://www.zoara-fanantenana.org/rubrique.php3?id_rubrique=5
naritsimba ( 29/06/2006 08:11)
Ny Tarika HANITRA NENTIN-DRAZANA dia manohy ny fitetezana ireo faritra maro eto Madagasikara. Tarika miezaka ny manao asa fitoriana filazantsara amin'ny alalan'ny hira sy dihy vako-drazana ara-pilazantsara.
Ireto ireo toerana efa naleha tamin'ity taona 2006 ity: Sadabe, Ambositra, Ambovombe centre-Manandriana, Sanganoro-Analavory, Ambohipeno-Arivonimamo ireo aloha no tadidy.
ireto kosa ireo toerana izay mbola andehanana :
06 Août 2006 FJKM Ambohipo
13 Août 2006 Manalalondo-Arivonimamo
26-27 Août 2006 Ambohibemanjaka-Andramasina
1-2-3 sept 2006 Marovoay,Mahajanga
Izay mila fiaraha-miasa dia afaka manoratra @ ity adresse e-mail ity hanitranentindrazana@yahoo.fr na manantona mivantana eny @ FJKM Zoara-Fanantenana Ambohipo isaky ny Alahady hariva ao @ Mpitandrina raha @ fotoana tsy maha eo an-toerana ny Tarika. Na koa afaka miantso
Ny Filoha 0320265007
Ny tompon'andraikitry ny hetsika sy ny serasera 0324267992 na 24 509 49
Ny mpitahiry vola 0324009328
Manantena ny fanohananareo am-bavaka ireo asa maro miandry azy ny mpikambana rehetra.
naritsimba ( 17/05/2006 11:54)
Tanteraka ny taona 2005 ny asa fitoriana natao tany @ FJKM Ankazongoaika-Anjozorobe ka nangatahan'ny olona ny hiverenana any @ ity taona 2006 ity.
naritsimba ( 15/09/2004 11:12)
Tanteraka ihany koa ny fampivelarana ny maha Malagasy Kristiana izay natao tany amin'ny Faritanin'ny Toamasina ny 28-29 Aogositra 2004 ary ho ezahina ny any amin'ny Faritany hafa amin'io taona ambony io.
Ho hitantsika eto ihany koa ny sary tamin'izany.
naritsimba ( 09/08/2004 07:00)
Vita soa aman-tsara ny Faha-10 taonan'i HANITRA NENTIN-DRAZANA (1994-2004) natrehin'ny Filohan'ny Antenimiarandoholona izany fankalazana izany. Ho hitantsika tsy ho ela eto ny sary tamin'izany.
naritsimba ( 23/09/2003 15:14)
Efa mananika ny 60 ankehitriny ny mpikambana ao amin'ny Tarika,ary maro ireo toerana efa nalehany indrindra teto Antananarivo sy ny manodidina efa tonga hatrany Moramanga sy Antsirabe ary eo am-pikasana ny handeha ho any amin'ny morontsiraka amin'ny taona ho avy satria feno 10 taona amin'ny 2004 ny tarika.Marihina fa maimaim-poana ny zavatra atao( Hira gasy sy vako-drazana ary kalon'ny fahiny atao ara-pilazantsara) ary natao ho asa fitoriana sy fanentanana ny asa rehetra tanterahiny.
( 08/07/2002 19:51)
Sampana Mpikabary,mpanao vako-drazana,ary mamelona ireo kalon'ny fahiny.Ny toerana ahitana azy dia ao amin'ny FJKM ZOARA-FANANTENANA AMBOHIPO.Raha te-hihaona mivantana amin'ny tarika dia isaky ny Alahady hariva manomboka amin'ny 2 ora tolakandro no ahitana azy ao amin'ny FJKM ZOARA-FANANTENANA AMBOHIPO.
Misy mpikambana mihoatra ny 30.
Ny tononkira izay miainga avy ao amin'ny BAIBOLY no ataon'ny tarika.

HO hitanao amin'ny manaraka ny sary sy ny tononkira.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4721